TENY VELONA

“VELONA SY MAHERY NY TENIN’ANDRIAMANITRA !" Heb 4:12

« Tonga soa ! | Main | Ho avy indray ! »

Mana isanandro - 29 Aogositra
2007/08/29,13:53

Hovakiantsika ny II Samoela  12 :13-31.

Ireto avy ny fahamarinana sy toetra tsara alain-tahaka avy amin'ny fiainan'i Davida mpanjaka araka ity teny anjarantsika anio ity :

-Tsy nanamarin-tena Davida rehefa nambara taminy ny fahotany :

Hoy davida : Efa nanota tamin’i Jehovah aho ! Mpanjaka nanana fahefana izy, azony natao ny namono an’i Natana, na niteny hoe iza koa ianao no hananatra ahy ? Tsy izany anefa no nataony fa niaiky izy : "Efa nanota teo anatrehan’i Jehovah aho, ary nivavaka nandritra ny 7 andro izy .

Hitantsika ao amin’ny Salamo 51 fa tena nibebaka sy nifona tamin’Atra izy. Io no Salamo nosoratany tamin’izy nanarin’i Natana. Tsaroan’i Davida nangidy taminy ny fiainany rehefa nanota izy.

         "Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao;
        Araka ny haben' ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. 
        ...Sasao madio aho ho afa-keloka,
        Ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
        ...Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô;
        Ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
        Aza manary ahy hiala eo anatrehanao;
        Ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.
 

Ny zavatra nitranga dia namaly azy ihany Andriamanitra. Hoy Jehovah : "Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon'i Jehovah amin'izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao" (and.14). Indraindray noho ny ataontsika kristiana ihany no itenenan-dratsy ny fivavahana kristiana . Ny jiosy ihany no nitenenan-dratsy ny anaran’Andriamanitra, « Fa araka ny voasoratra, dia hianareo no itenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra any amin' ny jentilisa » Rom 2:24

Tokony hanontany tena isika  Kristiana : sao dia izaho, sao dia ianao no itenenan-dratsy ny anaran’ny Tompo ?

 - Tsy nitsahatra nivavaka Davida  mandra-pahazony ny valim-bavaka : tsy niarina mihintsy izy fa nandry tamin'ny tany sady nifady hanina. Nony maty ilay zaza vao nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany, dia nankao amin'ny tranon'i Jehovah ka niankohoka ; ary dia nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia nihinana izy.
Mahareta amin’ny fivavahana : misy  fotoanany ny valim-bavaka, noho izany mila haharitra amin’ny fivavahana isika. Jesosy tao Getsemane dia niverina in-3 nivavaka nandritra ny alina  :  Ray ô ! raha azo atao, dia esory amiko ity kapoaka ity, izany hoe mbola miangavy izy  sao mba azo atao ihany amin’ny maha-olombelona azy. Na izany aza dia nanaiky ny fandaharana ihany izy. Ny kapoaka izay nomen’ny raiko ahy tsy hosotroiko va ? (Jao 18:11)

Misy fotoana maharitra vao mahazo valim-bavaka isika, mahareta anefa amin’ny fivavahana : « Miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. » Rom 12:12. Misy valiny azo eo no ho eo, misy ampiandrasina .  Enina  andro nifady hanina Davida vao nahazo valimbavaka, ny valiny azony avy eo anefa dia  : Tsia, satria maty ihany ilay  zaza.

Rehefa mivavaka ianao, mandra-pahazo ny valiny aza mitsahatra fa mahareta. Efa voalaza mialoha ny valim-bavaka ny an’i Davida : ho faty io zaza io. Nitaraina famindram-po ihany anefa  Davida.
Raha misy zavatra angatahinao amin’ny Tompo dia mivavaha hatrany mandra-pahazo ny valim-bavaka. Raha misy marary, na inona inona aretina raha mbola velona izy, dia sahia mangataka hoe : sitrano izy Tompo ô !. Na dia vita aza ny fanadinana, raha mbola tsy mivoaka ny valiny, mangataha ihany. Andriamanitra anie ka mahay ny zavatra rehetra rehefa sitraky ny fony izany e !  Eo am-pandriana  angamba ianao noho ny aretina, mbola velona nefa ianao : mangataha ka mitenena hoe :  Tompo ô,  raha sitraky ny fonao, sitrano aho, omeo hery aho, hainao ny zavatra rehetra, ianao no efa nitondra ny aretiko teo amin’ny hazo fijaliana, nefa aoka tsy ny sitrapoko no atao fa ny anao !

- Ny tena olon’Andriamanitra dia manaiky ny fitondrany . Niarina Davida, nisasa, nihinan-kanina : tsy nimonomonona fa nanaiky. Rehefa azo ny valiny na eny na tsia dia mitsangana ary misaotra.

Hoy ny Raim-pianakaviana iray  nampahery ny zanany tsy afa-panadinana  : izay vokany dia ifalio anaka,  fa izay ny sitrapon’Andriamanitra, rehefa nivavaka sy nanao izay azo atao ianao, fantatrao fa ny zavatra rehetra miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra.

- Nitera-bokatsoa ny fibebahan’i Davida

Nampionona ny vadiny izy. Nomen’Atra zaza ho solon'ny maty izy sy Batseba, Solomona no nataony anarany izay midika hoe ilay miadana. Andriamanitra koa naniraka an'i Natana mpaminany ka  nanome anarana ny zaza hoe :  Jedidia na tian'i Jehovah . Valin’ny fibebahan’i Davida izany. I Solomona no ilay mpanjaka nasain’Andriamanitra nanorina ny Tempolin’i Jerosalema.

Hoy ny teny ao amin'ny Salamo 32 : "Sambatra ny olona voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny".

Fehiny :

Raha mananatra anao ny olona, aza tezitra aminy, satria matoa mananatra anao izy, Fitiavany izany. Toy izany koa, raha mananatra anao ny toriteny, dia aza tezitra raha mety maha-tohina anao izay voalaza.Tokony haharitra amin'ny fivavahana isika, ary hanaiky am-pitiavana izay valim-bavaka omen'ny Tompo, Ho hitanao fa hitera-bokatsoa eo amin’ny fiainanao izany fanekenao izany.
Hanana ny toetran’i Davida anie ianao ! Tsy tezitra raha anarina amin’ny fahotana, ary hanaiky ny fitondrana rehefa mahazo valimbavaka !

Pasteur RAZAFIARISON Emilien - Fanilo radio

Commentaires

 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype