“VELONA SY MAHERY NY TENIN’ANDRIAMANITRA !" Heb 4:12
Hovakiantsika ny II Samoela 12 :13-31.
Ireto avy ny fahamarinana sy toetra tsara alain-tahaka avy amin'ny fiainan'i Davida mpanjaka araka ity teny anjarantsika anio ity :
-Tsy nanamarin-tena Davida rehefa nambara taminy ny fahotany :
Hoy davida : Efa nanota tamin’i Jehovah aho ! Mpanjaka nanana fahefana izy, azony natao ny namono an’i Natana, na niteny hoe iza koa ianao no hananatra ahy ? Tsy izany anefa no nataony fa niaiky izy : "Efa nanota teo anatrehan’i Jehovah aho, ary nivavaka nandritra ny 7 andro izy .
Hitantsika ao amin’ny Salamo 51 fa tena nibebaka sy nifona tamin’Atra izy. Io no Salamo nosoratany tamin’izy nanarin’i Natana. Tsaroan’i Davida nangidy taminy ny fiainany rehefa nanota izy.
"Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao;
Araka ny haben' ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.
...Sasao madio aho ho afa-keloka,
Ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
...Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô;
Ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
Aza manary ahy hiala eo anatrehanao;
Ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.
« | décembre 2023 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
lu | ma | me | je | ve | sa | di |
1 | 2 | 3 | ||||
4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |