“VELONA SY MAHERY NY TENIN’ANDRIAMANITRA !" Heb 4:12
« Ho avy indray ! | Main | Ho anareo mpanompon'Andriamanitra ... »
« 1 Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tànana amin'ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza.2 Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin'ny adin'olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny.3 Aza mandravaka ny tenin'ny malahelo eo amin'ny fandaharan-teniny hianao”
---------------------------
Rehefa avy nanome ny didy folo ho an’ny zanak’Israely Andriamanitra , tamin’ny alalan’i Mosesy izay nandray izany tany an-tendrombohitra, dia mbola nanome lalana maro nasainy hotandremana koa. Na dia misy sasany amin’ireo lalana ireo aza no tsy azo raisina ara-bakiteny amin’ny andro ankehitriny (vakio toko 21 sy 22), ny ankamaroany kosa dia mbola azontsika hakana lesona, indrindra manoloana izao fotoana sarotra andalovan’ny firenena Malagasy izao.
Tahaka izany ireto andalany telo horaisintsika androany ireto.
Toy izao avy ary izany :
1 – Tsy manangan-tsaho foana
Fampielezana lainga sy famitahana ny tsaho. Mitera-doza eo amin’ny fiaraha-monina izany satria asa famitahana olona. Toy izany koa ny vavolombelona mandainga ka atao hoe : ratsy fanahy. Loza no vokatry ny lainga. Olon-dratsy, masiaka ratsy fanahy ny mpandainga. Mikendry izay hahatonga loza amin’ny namana sy ny mpiray tanindrazana no ataony.
Te ho maro ny ratsy fanahy, koa tsy eken’ny Tompo ny mifandray tànana, na miara-miasa sy mandray vola amin’izy ireny hanao ny asa ratsiny. Mitaiza antsika kristiana ho marina ny Tompo.
2 – Tsy mivadika ny rariny
Tsy mitombina velively ny filazana fa “feon’Andriamanitra ny feom-bahoaka”. Tandremo hanaraka ny maro an’isa hamadika ny fahamarinana. Matetika matanjaka ny feon’ny maro an’isa nefa tsy rariny, tsy araka ny sitrapon’ny Tompo.
Misy fitsipika mazava eto : ny fahamarinana no laharam-pahamehana fa tsy ny maha-mpinamana. Loharano ipoiran’ity toetra ity ny fitiavam-bola, ny fiandaniana amin’ny heverina fa matanjaka eo amin’ny fiaraha-monina.
3 - Tsy miandany foana amin’ny malahelo
Toy izany koa no ampitandremana ny vahoakan’Andriamanitra tsy handravaka ny tenin’ny malahelo. Ny hevitry ny mpanaraka ny firehana miandany amin’ny madinika, dia ny fametrahana ny lehibe ho mpandainga sy mpanambaka matetika.
Ambaran’ny Tompo eto fa tsy izay malahelo akory dia marina ary izay mahantra dia vokatry ny fampahorian’ny lehibeny hatrany.
Nalaina tamin’ny boky Mofon’aina, 09 desambra 2008.
Fanamarihana :
Hitantsika fa efa voasoratra talohan’ny nisian’ny savorovoro eto amin’ny firenena ity fampianarana ity, ary tsy natao hiandaniana na hitsikerana ny mpomba an’izatsy na izaroa akory sanatria, fa natao ho fampieritreretana ho antsika Malagasy rehetra, indrindra ny Kristiana.
Tena velona sy mahery tokoa ny Tenin’Andriamanitra ! ho Azy irery ny voninahitra !
« | décembre 2023 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
lu | ma | me | je | ve | sa | di |
1 | 2 | 3 | ||||
4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |