“VELONA SY MAHERY NY TENIN’ANDRIAMANITRA !" Heb 4:12
« Aza manangan-tsaho foana... Eksodosy 23:1-3 | Main | Mariazy ho an'ny rehetra hoe ?! »
Mandeha ny andro sy ny volana, mivadika ho taona ! Hoy ny Salamo nataon'i Mosesy : "Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry"(Salamo 90:12). Haintsika ve ny mampiasa ny andro omen'ny Tompo antsika hanaovana izay mety sy tsara tokony hatao, sa mbola laniantsika amin'ny fitsikerana ary ny fanaratsiana ny hafa foana ?
Lasa ny saina fa indraindray ny olona izany lazaina ho olon'Andriamanitra sy voaantso hanao ny asany no manao izay hampihemotra ny mpino, amin'ny toetra asehony amin'ny fifandraisana amin'ny manodidina azy. Jesosy raha niseho tamin'ny mpianany taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty dia nanonona ny Fiadanana, ary izany Fiadanan'Andriamanitra izany, araka ny Filipiana 4:7 dia "Mihoatra noho ny fahalalana rehetra".
Koa mandiniha tena, fa sao mihevitra ianao fa mahay, na manankarena sy manam-pahalalana noho ny hafa. Ny Fiadanana avy amin'i Jesosy ," ilay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay", izay ihany no tokony ho hita taratra aminao sy zarainao amin'ny hafa. Sao sanatria ny ondry efa ao am-bala indray no avoakanao any ivelany, etsy andaniny izay mbola tsy tafiditra tsy manam-paniriana hanantona akory noho ny afitsokao ihany !
"Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo."Jaona 14:27. Izany tenin'i Jesosy izany no raiso ary apariaho amin'ny ondry asain'ny Tompo tandremanao.
Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra !
« | décembre 2023 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
lu | ma | me | je | ve | sa | di |
1 | 2 | 3 | ||||
4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |