TENY VELONA

“VELONA SY MAHERY NY TENIN’ANDRIAMANITRA !" Heb 4:12

« Ho anareo mpanompon'Andriamanitra ... | Main

Mariazy ho an'ny rehetra hoe ?!
2013/04/28,12:24

Dia lany teny amin’ny antenimiera frantsay izany fa hahazo misora-panambadiana koa manomboka izao ny olona mitovy fananahana.

Samy nanao izay ho afany  ny mpanohana sy ny mpanohatra na teny an-dalambe na tany an-dapa fivoriana. Ny tosika politika koa moa etsy an-daniny, na dia tsy misy ifandraisana amin'ny fironana politika havia na havanana aza izany, satria samy ahitana azy ireo daholo.

Dia lasa ny saina amin’ny maha-kristiana izay nirahin’I Jesosy ho vavolombelony any Jodia sy Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany rehetra.Tokony hijoro ho isan’ny mpanohitra koa ve isika, sa hitondra am-bavaka, sa inona azo atao ?

Satria raha ny voalaza ao amin’ny Genesisy tokoa dia “Lahy sy vavy no namoronany azy”…”Ary ralehilahy dia handao ny tokantranony ka hikambana amin’ny vadiny”, ary nomeny ny tsodrano hoe “Miteraha, mamenoa ny tany !”… tsy atoro antsika intsony izany.

Tranga roa no hotantaraiko anao atao tsetsatsetsa tsy aritra :

Tao amin’ny toeram-piasana iray, lehilahy iray efa azo lazaina hoe lehibe nahazo taona, tena mazoto sy mahafatrapo amin’ny asany, tia sy miara-mipetraka amina lehilahy ary tsy miafina amin’izany fironana arahiny izany . Tsy misy ohatr’izany ny hatezerany, manopa mihintsy aza mahita amin’ny fahitalavitra ireo mpanohitra ny “fanambadian’ny olona mitovy fananahana”. Izay koa hoy izy mandoa hetra toy ny rehetra ka manana ny zonay, f’angaha rehefa mandoa hetra misy manontany hoe “gay” ianao ? Dia inona azonao havaly azy amin’izany ? Asa raha ianao no teo amin’ny toerako, fa izaho aloha niodina mody tsy nihaino fotsiny sady namorona zavatra hatao nitsoahana moramora…

Resaka iray sendra reko teny am-pamiliana fiara taty an-dafy koa, tao amin’ny fampielezam-peo protestanta iray : misy mpitondra fivavahana sahy mijoro sy manazava amin’ny alalan’ny baiboly fa izy dia manaiky izany karazana fanambadiana izany, ary efa nanamasina mihintsy aza tao amin’ny fiangonana misy azy. Dia mahatalanjona !

Sanatria tsy hanao toy ny vavak’ilay Fariseo aho akory ka hanamarin-tena, fa isaorako ny Tompo aloha hatreto fa mbola tsy misy nirona amin’izany ny fianakaviana sy ankohonako akaiky (izay miafina no tsy haiko), ary izany koa no mbola ivavahako mandrakariva !

Commentaires

Commenter

E-mail me when comments occur on this article
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype