“VELONA SY MAHERY NY TENIN’ANDRIAMANITRA !" Heb 4:12
Asa. 17:10 “Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin’ ny rahalahy niaraka tamin’ izay nony alina hankany Beria ; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin’ ny synagogan’ ny Jiosy. Ary ny toe-panahin’ ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika ; satria nandray ny teny tamin’ ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia. ”
Izany teny voasoratra izany no isintonantsika lesona ankehitriny
Tenin’Andriamanitra natao hanovozana fiainana fa tsy ho fahalalana ara-tsaina fotsiny araka ny Jaona 20 : 31 ” Fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ ny anarany, raha mino hianareo”. Hananantsika fiainana ilay tenin’Andriamanitra, ilaina ny mandinika ny Tenin’Andriamanitra hanovozan-desona, hamantantra ny sitrapon’Andriamanitra.Ny mampiavaka ny kristiana amin’ny mpianatra tantara, ireo dia mianatra fotsiny ihany ahafantarany ny zava-marina fa tsy misy idirany amin’ny fiainany izany. Isika kristiana tsy tahaka ireo mpandinika ara-tsiansa ny hatsaran’ny sakafo, izay mandanjalanja fotsiny ihany ny calorie, vitamine protida sns ; ary eo no ilazany fa tsara na ratsy ny sakafo, ny mpihinana kosa mijery, manadrana amin’ny vava dia mandre na tsara na tsia ilay sakafo. Sal 34:8 “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah”: ilay maka ny tsirony mihitsy no tadiavin’Andriamanitra amintsika.
Eo anatrehan’ny tenin’Andriamanitra dia misintona lesona no ataontsika fa tsy mamantatra fotsiny hoe tamin’ny datin’izao dia nisy an’izao sns, tsara raha toa ka mitondra lesona ho amin’ny fiainantsika ; ny fahalalana mampieboebo fa tsy mitondra vokatsoa, fireharehana mialoha fahasimbana Ohab 24:10
Misy karazana mpino 2 hita eto amin’ity teksta ity :
1. mpino avy any Beria
2. mpino avy any Tesalonika
Nampitahaina teto ny toe-panahin’izy ireo : nanantombo ny olona tao Beria dia ireo izay nanam-pinoana. Tsy mba ho satritsika ve mba ho ankasitrahana toy izany ny toe-panahintsika, noho ny an’ny hafa , raha tiantsika izany dia mila mianatra ny nataon’ireto olona tao Beria ireto isika. Mat 25:21 ” Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny Tomponao.” Ny fankasitrahan’ny Tompo dia sarobidy sady mamy !
Andeha hofantarintsika hoe inona no mahatonga ireto olona tany Beria ho miavaka kokoa noho ireo tany Tesalonika. Tsy hoe tsinotsinona akory ireo Tesalonika fa nanana ny maha-izy azy I Tes 4:1 : “Ary farany ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’Andriamanitra - dia araka ny andehananareo ihany - no hitomboanareo bebe kokoa.”
Tsindriana ao anatin’izay ilay hoe efa manaraka izany rahateo ianareo, kanefa dia manatombo lavitra ny tao Beria, noho ny antony 3 :
Antony 1: Nandray ny teny izy ireo (And 1) Misy anie ka tsy mandray ny teny e ! tahaka ny mofomamy ao anaty vitrine ihany : nojerena fotsiny fa tsy noraisika. Raha tiantsika ny ankasitrahan’Andriamanitra dia mila mandray ny teny, raiso ny Tenin’Andriamanitra ho fanilon’ny tongotrao sy fanazavana ny lalanao Efes 6:17
Izany Tenin’Andriamanitra izany dia aina ho an’ny mahazo azy, fahasalamana ho an’ny nofony rehetra
Nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ireo : mazoto mihinana ny tenin’Andriamanitra, mianatra ny tenin’Andriamanitra, mazoto mihaino ny toriteny : izany no mahatonga azy ireo mazoto ara-toepahany araka an’Andriamanitra mahatonga azy ireo ho olona ankasitrahana. Misy olona tsy ny tenin’Andriamanitra no mampazoto azy fa zavatra hafa.
Antony faha-3 : Nandinika ny Soratra Masina isanandro na marina izany na tsia .
Tsy nandray am-bolony izay nolazain’I Paoly fotsiny fa nijery hoe izany tokoa ve no ambaran’ny tenin’Andriamanitra sa tsia : mila mamantatra. Betsaka ny mpitoriteny tsy mahalala ny tenin’Andriamanitra, mahay mandahatra ary dia ny heviny ihany no lazainy teo, aoka tsy ho fitahina isika aoka tsy anganongano na fisainan’olombelona no anorenantsika ny finoantsika. Fantaro ny tenin’Andriamanitra.
Ohatra mpitoriteny mamporisika ny olona hisotro divay, hoe azo atao. Ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny Nom. 6:2 milaza hoe “ Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an’ i Jehovah, dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy.” Matoa ilay olona tsy mifady dia tsy mbola nanokana ny tenany ho an’Atra izy.
Izahao toetra ny fanahy hoy ny tenin’Andriamanitra na avy amin’Andriamanitra ireny na tsia I Jaona 4:1. Mitandrema eo anatrehan’ny mpampianatra sandoka izay mampibirioka ny vahoaka, mandeha araka ny filana fotsiny.
Kol 2:23 “Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofony” : Fivavahana haitraitra tsy mahatonga ny olona hiala amin’ny filan’ny nofo Jak. 1:26 “Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’ izany olona izany” misy fivavahan’olona zava-poana, tsy hita amin’izay aloaky ny vavany ny tena finoana, fiainana kristiana.
Miantso anao ny Tompo mba ho toy ilay olona tao Beria ianao : mandray ny Tenin'Andriamanitra, miezaka miaina araka izay voalaza fa tsy mihaino na mamaky fotsiny, ary mandinika fa tsy mihinana ambolony izay lazain’ny olona .
Vavaka : Fantatrao marina fa maro ireo olona mivoana, mivavaka izahay miasà ianao, mba ianao no hisandratra fa tsy olombelona ary ny teninao no ho toriana fa tsy ny anay dia hanana toe-panahy araka an’Atra anie izahay, amen.
Marthe Hervé - Radio Vaovao Mahasoa
« | décembre 2023 | » | ||||
---|---|---|---|---|---|---|
lu | ma | me | je | ve | sa | di |
1 | 2 | 3 | ||||
4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |